Iahvisma

Ny iahvisma dia endriky ny fivavahan' ny Israelita talohan' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna, izay mino ny fisian' i Iahveh ho andriamanitr' i Israely nefa mino ihany koa ny fisian' ny andriamanitr' ireo firenena manodidina an' i Israely sy ny an' ny firenena hafa. Karazana henôteisma na mônôlatria izany ny iahvisma. Tsy iza i Iahveh fa ny andriamanitry ny razan' ny Hebreo izay nanafaka azy ireo tamin' ny fahandevozana sy nitondra azy ireo tany amin' ny Tany nampanantenaina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne