Fanekem-pinoana atanaziana

Ny Ampingan'ny Trinite izay mamintina amin'ny teny latina ny fifandraisan'ny Persona telon'Andriamanitra hita ao amin'ny ampahany voalohan'ny Fanekem-pinoana atanaziana. Izao no dikan'ireo soratra ireo: "Andriamanitra ny Ray; Andriamanitra ny Zanaka; Andriamanitra ny Fanahy Masina; Tsy Zanaka ny Ray; Tsy Ray ny Zanaka; Tsy Fanahy Masina ny Zanaka; tsy Zanaka ny Fanahy Masina; tsy Ray ny Fanahy Masina; tsy Fanahy Masina ny Ray."

Ny Fanekem-pinoana atanaziana na Fanekem-pinoan' i Atanazy na Sembôlin' i Masindahy Atanazy dia fanekem-pinoana kristiana manamafy ny maha Trinite an' Andriamanitra sy ny fifandraisan' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny fitoviany sy ny fahasamihafany. Anisan' ny fiekem-pinoan' ny Fiangonana Tandrefana sady fanamafisana ny voalaza ao amin' ny Fanekem-pinoana nikeana io fanekem-pinoana io. Quicunque Vult na Quicumque Vult ("na iza na iza te") no iantsoana azy io amin' ny teny latina araka ny teny vitsivitsy fiantombohany. Noho izy ahitana ny filazana ny amin' ny "fivoahan' ny Fanahy Masina amin' ny Zanaka" (Filioque) dia tsy ampiasain 'ny Fiangonana Tatsinanana izay nanohitra an' izany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne