Fanekem-pinoana nikeana

Sary mampiseho ny emperora Kônstantino (afovoany) sy ireo evekan' ny Kônsily voalohany tao Nikea (taona 325) mitazona ny Fanekem-pinoana nikenô-kônstantinôpôlitana tamin' ny taona 381.

Ny Fanekem-pinoan' i Nikea na Fanekem-pinoana nikeana na Fiekem-pinoan' i Nisea na Fiekem-pinoana niseana dia fanekem-pinoana na fanambaràm-pinoana kristiana tinapaka nandritra ny Kônsily natao tao amin' ny tananan' i Nikea (na Nisea) tamin' ny taona 325 izay notovanana nandritra ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôlisy tamin' ny taona 381 ka indraindray izy dia atao hoe Fanekem-pinoan' i Nikea-Kônstantinôpôly na Fanekem-pinoana nikeana-kônstantinôpôlitana. Mizara fehezan-kevitra telo izy dia ny finoana an' Andriamanitra Ray sy ny finoana an' i Jesoa Kristy ary ny finoana ny Fanahy Masina ary taty aoriana dia natsofoka ny amin' ny finoana ny Fiangonana Masina.

Σύμβολον τῆς Νικαίας / Súmbolon tês Nikaías na Σύμβολον τῆς πίστεως / Súmbolon tês písteôs no anaran' ilay fanekem-pinoana amin' ny teny grika fa Symbolum Nicaenum kosa amin' ny teny latina. Maro amin' ireo fiangonana niforona taty aoriana no tsy mampiasa io fiekem-pinoana io noho izy ireo manohitra ny Trinite.

Manamafy ny maha Zanak' Andriamanitra sy ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy io fanekam-pinoana io. Hamafisiny koa ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy Andriamanitra maro izany fa Andriamanitra tokana. Izany dia entina hamaritra ny finoana ny maha Telo Izay Iray na Trinite an' Andriamanitra.

Ny Ôrtôdôksa sy ny Katôlika ary ny ankamaroan' ny fiangonana prôtestanta na ny fiangonana sasany nipoitra na niala avy aminy dia manaiky sy mampiasa io fanekem-pinoana io. Nisy fiovany izy taty aoriana tamin' ny nampidiran' ny Fiangonana Tandrefana ny hevitra hoe "nivoaka tamin' ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe Filioque (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kaὶ toū Uioū).

Ny fiangonana tsy mino ny Trinite toa ny Fiangonan' i Jerosalema Vaovao sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany [1] ary ny Vavolombelon' i Jehovah dia tsy manaiky ny filazana sasany ao amin' io fiekem-pinoana io.

  1. Dallin H. Oaks, Apostasy And Restoration, Ensign, May 1995

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne