Fanjakana Mitambatra

Sainan' ny Fanjakana Mitambatra
Ny Fanjakana Mitambatra ao Eorôpa sy ao amin' ny Vondrona Eorôpeana (miloko maitso)

Ny Fanjakana Mitambatra na Fanjakana Mitambatr' i Britaina sy Irlandy Avaratra, dia firenena ao Eorôpa Andrefana (ao avaratra-andrefana raha ny marimarina kokoa) niorina tamin' ny taona 1801. Ireo fanjakana nanorina ny Fanjakana Mitambatra dia i Britaina Lehibe (Great Britain) sy i Irlandy Avaratra. Sahabo 66 921 307 ny mponina tamin' ny taona 2019 .[1] Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy. Ny renivohitra dia ny tanàndehibe London. Firenena manana mpanjaka fehezin-dalàm-panorenana ny Fanjakana Mitambatra, ka manjaka ny mpanjaka nefa tsy miandraikitra ny fampandehanana ny firenena.

I Britaina Lehibe no nosy faha-8 lehibe indrindra maneran-tany, izay ahitana an’ i Angletera, i Ekôsy ary i Valesa. I Irlandy Avaratra dia tapany avaratra-atsinanana amin’ ny nosy Irlandy. Ny Ranomasina Manche no manasaraka azy amin’ i Frantsa. Monina an-tanàn-dehibe ny 90 %n’ ny mponina ao amin’ ny Fanjakana Mitambatra. Anisan’ ireo firenena misy mponina makitroka indrindra ao Eorôpa ny Fanjakana Mitambatra, sady anisan’ ireo firenena manao raharaham-barotra matanjaka sy manana taozava-baventy matanjaka indrindra maneran-tany.

Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-18 ny tantaran’ ny "Fanjakana Mitambatr’ i Britaina Lehibe", tamin’ ny nanakaikezan’ i Angletera (izay efa nikambana tamin’ i Valesa tamin’ ny taonjato faha-16) an’ i Ekôsy tamin’ ny alalan’ ilay Act of Union tamin’ ny taona 1707. Talohan’ izany dia tao amin’ ny Empira Rômana ireo faritra telo ireo talohan’ ny hizakany ireo fananiham-bohitra nifanesy sy talohan’ ny hitsaganany ho tany anjakà-mpanjaka, ka ny natanjaka indrindra dia ny Fanjakana Anglisy. Manana tafika an-dranomasina matanjaka ny Fanjakana Mitambatra, izay nahafahany nanao fandefasa-miaramila haka tany hozanahina. Tamin’ ny fotoana niforonan’ i India Britanika anefa dia voatery niatrika ady nifanandrenany tamin' ireo mpitaky ny fahaleovan-tena amerikana tamin’ ny taona 1776 hatramin’ ny 1783 ny Fanjakana Mitambatra: lasa nahazo fahaleovn-tena ny zanatany britanika miisa telo ambin’ ny folo ka niteraka an’ i Etazonia. Teo anelanelan’ ny fiafaràn’ ny taonjato faha-18 sy ny fiandohan’ ny taonjato faha-19 dia teraka sy nandroso tao amin’ ny Fanjakana Mitambatra ny fiovam-penitry ny taozava-baventy, indrindra tamin' ny andron' ny mpanjakavavy Victoria, teo anelanelan’ ny taona 1837 sy 1901. Tamin’ ny taona 1801 no teraka ny "Fanjakana Mitambatr’ i Britaina Lehibe sy Irlandy". Taorian’ ny fivakisana ara-pôlitikan' ny nosy Irlandy dia lasa nantsoina hoe "Fanjakana Mitabatr’ i Britaina Lehibe sy Irlandy Avaratra" ilay firenena. Niatrika ady tamin’ i Alemaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ny Fanjakana Mitambatra, ady izay nandraisan’ ny praminisitra Winston Churchill anajara lehibe teo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Nosatrohana ny satro-boninahitra tamin’ ny taona 1952 ny mpanjakavavy Elisabeth II. Taorian’ ny fahaleovan-tenan’ i India (taona 1947) dia nahazo ny fahaleovan-tenany koa ireo zanatany britanika hafa tamin’ ireo taona 1950 sy 1960. Nanomboka nandray anjara tamin’ ny fananganana an’ i Eorôpa ny Fanjakana Mitambatra tamin’ ny taona 1973, nefa tsy dia niditra lalina loatra izy, tamin’ ny fandavany ny fampiasana ny vola Euro.

  1. World Population Review - United Kingdom

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne