Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany

Sarivongana maneho an' i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona nataon' i Bertel Thorvaldsen eo amin' ny Temple Square any amin' i Salt Lake City

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany izay antsoina hoe koa Fiangonana môrmôna, dia fiangonana kristiana restaorasionista teraka tao amin' ny Fanjakan' i New York any Etazonia tamin' ny taona 1830. I Joseph Smith no mpanorina azy. Ny mpino ao aminy dia mihevitra azy ho fiangonana vokatry ny fanambaràna avy amin' Andriamanitra. Izy ireo no atao hoe Olomasin' ny Andro Farany. Ao Salt Lake City any Utah no misy ny foiben-toerany. Manana mpikambana miisa 16 000 000 any ho any io fiangonana io maneran-tany[1]. Laharana fahefatra izy ao Etazonia amin' ny habetsahan' ny mpino izay miisa any ho any amin' ny 6 160 000[2]. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints.

  1. « Rapport statistique 2017 pour la conférence générale d’avril 2018 - Nouvelles de l’Église » [tahiry], sur www.lds.org (notsidihina tamin’ny 6 Avrily 2018)
  2. Yearbook of American and Canadian Churches, 2012

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne