Fiangonana Loterana Malagasy

Raozin' i Lotera

Ny Fiangonana Loterana Malagasy, izay hafohezina amin' ny hoe FLM, dia fiangonana kristiana prôtestanta eto Madagasikara izay nateraky ny fitambaran' ireo fikambanana misiônera loterana tamin' ny taona 1950 niasa teto Madagasikara, sady miray amin' ny Fiangonana Loterana maneran-tany izay nipoitra avy tamin' ny Refôrmasiôna nataon-dry Martin Lotera. Nanohy ny fampianaran' ireo misiônera loterana tonga teto Madagasikara nefa manana ny fahasamihafany amin' ny fiangonana loterana any ivelany ny FLM noho ny fisian' ny fifohazana izay mampiavaka ny prôtestantisma eto Madagasikara, izay mandray anjara lehibe amin' ny fitaomana ny olona ho kristiana. Laharana fahatelo ny FLM raha ny habetsahan' ny mpino no jerena (eo anelanelan' ny 3 tapitrisa sy 4 tapiptrisa any ho any). Maro amin' ireo mpino ao aminy no misahana ny asan' ny misionera any amin' ny firenen-kafa toa an' i Kamerona sy i Papoa Ginea Vaovao ary i Tailandy.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne