Loteranisma

Raozin' i Lotera

Ny loteranisma na loterianisma dia iray amin' ny sampana lehiben' ny prôtestantisma, sampan' ny kristianisma, no sady ilazana ny teôlôjia nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' ilay teôlôjiana sy monka (na moanina) aogostiniana alemàna atao hoe Martin Lotera (alemàna: Martin Luther), nanomboka tamin' ny taona 1517. Izany fandinihana izany dia niteraka ny teôlôjia prôtestanta maro sy ny fiangonana prôtestanta isan-karazany tamin' ny taonjato faha-16, sady nipetraka ho loharano amin' ny tenim-pianoana (na dôgma) sy foto-pampianarana ao amin' ny teôlôjian' ny fiangonana loterana maro, indrindra any Alemaina sy any Skandinavia (Danemarka, Nôrvezy, sns.).

Martin Lotera, sary nataon' i Lucas Cranach der Ältere, taona 1529.

Ahitana fiangonana loterana ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' i Alsace, i Lorraine, i Madagasikara, i Namibia, i Pôlônia ary ireo firenena balta (Estônia sy Letônia ary Litoania). Mahakasika ny finoan' ny Kristiana loterana sy ny fiangonana loterana maro ary ny antontan-tsoratra momba ny teôlôjia sy ny anjara asan' ny fiangonana ny loteranisma. Harena iombonan' ny Fanavaozana prôtestanta ny teôlôjian' i Lotera.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne