Olo-masina

I Maria, renin' i Jesoa, no heverina ho lehibe indrindra sy masina indrindra amin' ny zavaboarin' Andriamanitra.

Ny olo-masina na olona masina na olomasina, ao amin' ny sehatry ny fivavahana, dia olona miavaka noho ny fisandratany ara-panahy sady atolotra ny mpino ho môdelim-piainana noho ny toetrany manokana na ny fitondran-tenany izay heverina ho fakan-tahaka. Antsoina hoe "maritiora" na "maritira" (izany hoe "vavolombelona") ny sasany amin' ireo olo-masina ireo, rehefa namoy ny ainy noho ny firaiketam-pony amin' ny finoany.

Ao amin' ny fivavahana kristiana dia olona ekena ho manana ambaratom-pahamasinana, fitoviana amin' Andriamanitra, na fanakaikezana an' Andriamanitra ny olo-masina. Na izany aza dia miankina amin' ny teny na zava-misy manodidina sy ny antokom-pivavahana ny fampiasana ny teny hoe masina. Ao amin' ny foto-pampianarana katôlika, ôrtôdôksa tatsinanana, anglikanina, ôrtôdôksa atsinanana ary loterana dia heverina ho olo-masina avokoa, amin' ny heviny mivelatra, ny mpino rehetra efa maty any an-danitra, fa heverina ho mendrika ny homem-boninahitra na halain-tahaka bebe kokoa kosa ny sasany. Olona masina ny Kristiana rehetra, na mbola velona na efa maty, amin' ny Prôtestanta.

Ny fankatoavana ôfisialy ataon' ny fiangonana sy ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso vokatr' izany dia atao ho an' ny olo-masina sasany amin' ny alalan' ny dingan' ny fanokanana ho olo-masina (kanônizasiôna) ao amin' ny Eglizy Katôlika, ary fanomezam-boninahitra (glôrifikasiôna) no atao ho amin' ny olo-masina ao amin' ny Eglizy Ôrtôdôksa Tatsinanana aorian' ny fankatoavana. Atao hoe masindahy na masimbavy ny olo-masina katôlika na ôrtôdôksa na anglikana.

Matetika mampiasa ny teny hoe masina, amin' ny fomba ankapobeny, hilazana ny toe-pahamasinana manokana izay ambaran' ny fivavahana maro ho an' ny olona sasany ny mpahay tantara momba ny fivavahana, ka tondroina koa ho olo-masina ny ḥasīd na tzadik ao amin' ny jodaisma, ny walī ao amin' ny silamo, ny rishi ao amin' ny hindoisma, ny Bhagat sy ny guru ao amin' ny sikisma, ny kami ao amin' ny sintôisma, ny shengren ao amin' ny taôisma, ary ny arhat na bodhisattva ao amin' ny bodisma. Arakaraka ny fivavahana, dia ekena ho izany tokoa ny olo-masina amin' ny alalan' ny fanambaràna ôfisialy ataon' ny Fiangonana, toy ny ao amin' ny finoana katôlika, na amin' ny horakora-pifaliana ataon' ny vahoaka.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne